Takelaka fandraisana

Tany efitra any Australia

fanomanana ny dia
Hamerina ny nataon'ireo mpisava lalana tany Australia tamin'ny taon-jato faha-sivy ambin'ny folo no ho atao. Hanavatsava an'i Australia avy aty atsimo (Adelaide) ka hatrany avaratra (Darwin) no tanjona. Misy lalana goudron afaka anaovana azy fa naleoko naka lalana mahita ny zavatra tsy fahitan'ny olona. Handeha any amin'ny toerana tsy misy olona 100 km manodidina ka dia tsy maintsy mivatsy ny fitsaboana maika sy ny fitaovana fikarakarana raha misy sampona. Io hitanao amin'ny sary misy soritra mavomavo io ny lalana ho atao.

Explorers way
Indraindray dia misy filazana eny amin'ny sisn'ny lalana milaza fa explorers way ity lalana andehanana ity. Matetika tsy azo andehanana ny lalana rehefa avy ny orana satria sao dia ho entin'ny rano any ny fiara. Tsy maintsy mijery ny filazana milaza raha mivoha ny lalana na mihidy. Ankoatry ny loza mety hitranga dia mandoa sazy koa ianao raha tratra mandeha amin'ny lalana mihidy. Izay no antony andehananay tany Australia amin'ny fotoana maintany : volana may.

outback : tany efitra tsy misy olona mipetraka
Tany efitra no andalovana. Outback no ataon'dry zareo anarany. Tsy misy olona mipetraka 100 km manodidina. Tsy misy ahafahana mifandray amin'ny hafa raha mitady famonjena. Betsaka ny antony nahatonga ny olona nitrandraka, anisan'izany ny fitadiavana tany hambolena, fitadiavana vato soa, ...

lalana eny andohasaha manelanelana tendrombohitra
Indraindray koa dia mandeha eny an-dohasaha eny. Tsy nifanena afa-tsy tamin'ny fiara anakiray izahay tao anatin'ny 50 km. Hita avy lavitra ilay fiara satria misy vovoka be manaraka azy. Ity nalaiko sary ity ilay lalana nandehanana fiara. Indraindray koa mantsy dia mandeha tongotra mijery ny zava-boary samihafa.


Nohavaozina anio 17/06/2018