Takelaka fandraisana

Fort Dauphin sy ny manodidina azy

Evatraha - Anena
Mahafinaritra ny mitsangatsangana manodidina an'i Fort Dauphin. Sady akaiky ny tendrombohitra, no akaiky ny ranomasina. Ity hita amin'ny sary ity ilay toerana atao hoe Evatraha. Raha mijery tsara ianao dia hita ery lavitra ery ilay toerana fitrandrahana fasi-mainty. Somary manimba ny tontolo iainana io fitrandrahana io.

nepenthes : voninkazo mpihinam-biby
Betsaka ny zava-maniry tsy fahita firy eto an-tany no hita eny amin'iny faritra iny. Nepenthes no anaran'ity zava-maniry ity. Fandrihany ao anatin'ilay voninkazo ny biby madinika dia ateliny avy eo. Efa mila ho lany tamingana io zava-maniry io. Isaorana manokana i Prudence nitondra anay sy nanazava taminay ireo zava-boary samihafa manodidina an'i Fort Dauphin.

lafa : palmier misampana telo
Lafa no anaran'ity palmier misampana telo ity. Eny amin'iny faritra Anosy iny no hany ahitana azy io eto an-tany. Nalaina teny amin'ny parc Andohaela io sary io. Toerana mpanelanelana manasaraka ny faritra be orana (Anosy) sy ny faritra maina (Androy) io faritra io. Noho izany dia ahitana zavatra maro be tsy fahita firy ao.

mpanjono milahatra eo amin'ny vieux port
Manjono no tena antom-piveloman'ny olona manodidina an'i Fort Dauphin. Eto izao dia alahatra ny lakana ary samy mahazo iray metara avy ny mpanjono tsirairay amelomany ny ankohonany. Eo amin'ilay port taloha io toerana anjonoana io. Mampalahelo fa tsy dia mahazo tombony firy ny tompon-tany amin'ity fitrandrahana fasi-mainty ity!


Nohavaozina anio 06/01/2018