Takelaka fandraisana

Toerana fitsangatsanganana any andrefan'i Bordeaux

Lacanau océan
Atlantika no anaran'ny ranomasina any andrefan'i Bordeaux. Eo amin'ny 50 km any andrefana any no misy azy. Tsy misy ranomasina ao Bordeaux na dia toa milaza izany aza ny anaran'ilay tanana. Ity aseho amin'ny sary ity ny tananan'i Lacanau Océan. Misy lalana voatokana ho an'ny bisikileta miainga ao Bordeaux ka tonga hatreto Lacanau.

Lacanau le lac
Misy farihy koa eo akaikin'ny tananan'i Lacanau. Le Moutchic no anaran'ity tanana eo amorondrano ity. Ohatra ny eny amorom-parihin'Itasy tokoa izy izany. Betsaka olona manao picnic eo amin'ny manodidina eo.

Cap Ferret
Aty atsimon'i Lacanau, dia misy tanana iray atao hoe Cap Ferret. Misy jiro ao ahafahan'ny sambo miditra ao amin'ny farihin'i Arcachon izay fiompiana huitre.

dune du Pyla
Ity hita amin'ny sary ity indray ny dune du Pyla hita avy ety amin'i Cap Ferret. Io dune io no avo indrindra eto eropa. Tsofin'ny rivotra ny fasika, ka lasa mahazo ny ala izay ao aorinan'io dune io. Misy tranon'olona miha-tototry ny fasika koa eny.


Nohavaozina anio 06/01/2018