| 
               Australia : Northern Territory
              | 
         
           | 
             Firenena iray any Australia i Northern Territory.
            Mafana kokoa ny andro mitaha amin'i South Australia.
            Tsy lavitra an'ilay vato malaza atao hoe Uluru ity Kata Tjuta ity.
            Ny anangu no misahana ity toerana ity.
            Mahafinaritra ny mandehandeha any anelakelaky ny vato any.
            Tsy azo adino fotsiny ny mitondra rano betsaka sao matin'ny hetaheta. | 
         
           | 
             Tanana manankasina amin'ny aborigene ity toerana ity.
            Ny foko alyawarre no tompon'io toerana io.
            Karlu Karlu no ataony anarany.
            Mahavariana ny mijery ireo vato (granita) boribory nefa tsy mikodia. | 
         
           | 
             Katherine no anaran'io renirano io.
            Eo amin'ilay toerana atao hoe Nitmiluk no misy azy.
            Tsy afaka mandro eo amin'io renirano io satria betsaka voay manodidina eo.
            Indraindray ohatra ny miendrika sarina voay ireo vato eo andanin'ilay rano.
            Mahavariana tokoa ny zava-boary. | 
         
           | 
             Efa tany amin'ny roa alina taona lasa tany no nanaovan'ireo aborigena ireo sarisary eny amin'ny vato ireo.
            Nataony hitaizana ny ankizy izy ireo.
            Eo amin'ilay toerana atao hoe Burrunggui no misy ireto sarisary ireto.
            Tsy hain'ny eropeanina ny miteny ilay fiteny any dia nataony hoe Nourlangie ny anaran'ilay toerana.
            Ao amin'ny Kakadu National Park no misy azy io. |