Takelaka fandraisana

Porquerolles : nosy kely fitsangatsanganana

Eo ampiaviana any Porquerolles
Porquerolles dia nosy tsy lavitra ny morontsiraka atsimon'ny Frantsa. 12.5 km2 ny velarany. Tsy mahazo mivezivezy any ny fiarakodia. Mandeha tongotra na mandeha bisikileta ny olona rehefa mitsidika io nosy io. Olona iray no tompon'io nosy io teo aloha.

ranomasina amin'ny tapany avaratry Porquerolles
Nampanirian'ireo olona teo aloha eo amin'io nosy io ny kininina sy ny mimoza. Maniry tsara ao izy ireo ka miteraka olana ankehitriny satria mila rano betsaka ny kininina, ary tsy misy maniry ny zava-boary eo ambanin'ny mimoza. Misy fasika tsara sy ranomasina manga tsara ny tapany avaratr'ilay nosy.

hantsana ny amin'ny tapany atsimon'i Porquerolles
Hantsana kosa ny amin'ny tapany atsimon'ilay nosy. Ny mijery ireo hantsana ireo no tena mahafinaritra ny vazaha. Tendrombohitra betsaka hazo maniry kosa ny eo afovoany.

tohanana ny tany tsy ho lasan'ny riaka
Novidian'ny fanjakana ny toerana sasany amin'ilay nosy. Nataony toerana ambolena izao karazan-javatra rehetra izao. Misy ireo karazana oliva rehetra misy eto an-tany ambolena any. Tsinjoviny koa ny tany tsy ha lasan'ny riaka. Tohanany vatan-kazo ohatra ity hita amin'ny sary ity ny toerana sasany.


Nohavaozina anio 06/01/2018