Takelaka fandraisana

Tsingin'i Bemaraha

tsingy hita avy eny ambony
Mahavariana tokoa ny mahita ireto vato maranitra any Bemaraha ity. Tsingy no natao anaran'izy ireo. 200 km any avaratry Morondava no misy azy. Tany amin'ny 250 tapitrisa taona tany aloha tany izy io no niforona. Tongan'ny ranomasina teo taloha tany ka rehefa nisitaka ny rano dia ny sisan'ny corail sisa no tavela ka lasa tsingy.

zava-maniry eny antampon'ny tsingy
Misy zava-maniry sy biby samihafa mivelona any. Ity hita amin'ny sary ity ilay antsoina hoe tongotra elefanta (noho ny endrik'ilay zava-maniry no nahatonga izany). Tena tsy azoko mihitsy hoe ahoana ny fomba ahafahany mitombo nefa tsy misy tany ipetrahany fa maniry ambony vato.

ny any anelakela-bato any
Misy zava-maniry hafa ihany koa miaina any anelakela-bato any. Mitady masoandro izy ireo ka izany no mahatonga ny tahony mahintsy be miakatra any ambony any. Mila manao kiraro mamono ny tongotra rehefa mandeha any satria maranitra ny vato.

angojibe
Misy biby sy vorona koa miaina any. Rehefa fotoanan'ny orana iny no tena mampivoaka an-dry zareo. Amin'iny fotoana iny mantsy no fotoana fihazany. Ity hita amin'ny sary ity ilay vorona atao hoe angojibe. Tonga nanatona any teo izy io niandry ny ho tsipazanay tapa-mofo kely.


Nohavaozina anio 29/12/2022