Takelaka fandraisana

Justin Vali Trio sy ny tarika Mavana tao Saint Cloud

Vazaha mitendry valiha
Nanofana vazaha tao Saint Cloud amin'ny fitendrena valiha i Justin Vali. Ireto misy tovovavy roa miara-mitendry aminy, feon-kira iray. Vao mianatra mitendry ry zareo nefa mety ihany ny zavatra nasehony.

Justin Vali Trio
Ity hita eto amin'ny sary ity ny tarika Justin Vali Trio. I Justin (Rakotondrasoa) no miendry valiha. Tao Ravao no mitendry kabosy. Ary i Mimil (Michel Randrianarisoa) no mitendry gitara.

Hirahira sy dihy miaraka amin'ny Mavana
Nataon'dry zareo ilay hira mitondra ny lohateny hoe "Rambala", izay hira nampalaza an'i Justin Vali. Nataony koa ilay hira mitondra ny lohateny hoe "Bilo". Nisy olona tonga nandihy niakatra an-tsehatra mihitsy.

Dihy gasy
Ankizy vavy anakiroa ao amin'ny tarika Mavana no nanentana ny olona tao. Nisy malagasy vitsivitsy niakatra an-tsehatra nanao dihy soroka sy ny afindrafindrao miaraka amin'ireo vazaha. Nokarakarain'ny olona eo amin'ny tanana izao fampisehoana izao mba hanentanana sy ampisehoana hira isan-karazany ireo olona tia mihira.


Nohavaozina anio 06/01/2018