Takelaka fandraisana

Ny fifamoivoizan'ny bisikileta any Belzika

Toerana fipetrahan'ny bisikileta
Milamina mihitsy rehefa mandeha bisikileta any amin'ny tany avaratry Frantsa any (Belzika, Holandy). Malalaka ny toerana voatokana hametrahana ny bisikileta. Izany akory tsy manakana ny fisian'ny mpangalatra bisikileta.

circulation interdite nefa azo andehanan'ny bisikileta
Na dia tsy azo ifamoivoizan'ny fiarakodia aza ny lalana sasany dia matetika mahazo mandeha amin'ireny ny bisikileta. Ny eto Frantsa indray, na ny mandeha bisikileta eny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra aza dia tsy azo atao.

sens interdit
Toy izany koa ny zotra tsy azo andehanan'ny fiarakodia dia matetika azo andehanan'ny bisikileta. Na izany aza dia vitsy dia vitsy ny lozam-pifamoivioizana mihatra amin'ny mpandeha bisikileta any. Mahay manaja ny mpandeha an-tongotra sy ny mpandeha bisikileta ny olona any.

sens unique
Na "sens unique" aza ny lalana ho an'ny fiarakodia dia "double sens" ho an'ny bisikileta. Ny indro keliny fotsiny dia tsy amin'ny tandrifin'ny mason'ny mpitondra bisikileta ilay soratra, fa somary ambonimbony ka mety tsy ho hita indraindray.


Nohavaozina anio 06/01/2018